1 John 5

1Na iza na iza mino fa i Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra, ary na iza na iza tia ny Ray ihany koa dia tia ny zanaka naterany. 2Noho izany no ahafantarantsika fa tiantsika ireo zanak’Andriamanitra: rehefa tia an’Andriamanitra sy manatanteraka ireo didiny isika. 3Satria izany no fitiavana ho an’Andriamanitra: dia ny hanatanterahantsika ireo didiny. Ary ireo didiny dia tsy mavesatra.

4Fa ny olona rehetra izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao. Ary izany dia fandresena izay efa nandresy an’izao tontolo izao: ny finoantsika. 5Iza ilay iray izay mandresy an’izao tontolo izao? Ilay iray izay mino fa i Jesosy dia Zanak’Andriamanitra.

6Izany dia ilay Iray izay tonga tamin’ny rano sy rà: Jesosy Kristy. Izy dia tonga tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy rà. 7Fa misy telo izay mijoro vavolombelona: 8ny Fanahy, ny rano, ary ny rà. Ireo telo ireo dia mifanaraka. [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha sasany dia mivaky toy izao: “Fa misy telo izay mijoro vavolombelona any an-danitra: ny Ray, sy ny Teny, ary ny Fanahy Masina; ary ireo telo ireo dia iray. Ary misy telo izay mijoro vavolombelona eto ambonin’ny tany: ny Fanahy, ny rano, ary ny rà; ary ireo telo ireo dia toy ny iray.” Na izany aza, ireo dikan-teny tsara indrindra dia tsy mivaky toy izany.]

9Raha mandray ny fijoroana vavolombelon’ny olona isika, dia ho lehibe kokoa ny fijoroana vavolombelon’Andriamanitra. Fa ny fijoroana vavolombelon’Andriamanitra dia izao: izy dia mijoro vavolombelona mahakasika ny Zanany. 10Na iza na iza mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana fijoroana vavolombelona ao amin’izy tenany. Izay tsy mino an’Andriamanitra dia manao Azy ho mpandainga, satria izy dia tsy nino ny fijoroana vavolombelona izay efa nomen’Andriamanitra mahakasika ny Zanany.

11Ary ny fijoroana vavolombelona dia izao: Andriamanitra dia nanome antsika fiainana mandrakizay, ary izany fiainana izany dia ao amin’ny Zanany. 12Ilay iray izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana. Ny olona izay tsy manana ny Zanak’Andriamanira dia tsy manana fiainana.

13Efa nanoratra ireto zavatra ireto ho anareo aho mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo- ho anareo izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra. 14Toy izany ihany koa, izao no fifanekena izay ananantsika eo anatrehany, fa na inona na inona angatahantsika araka ny sitrapony, dia maheno antsika Izy. 15Toy izany ihany koa, raha fantantsika fa mandre antsika Izy- na inona na inona angatahantsika Aminy-dia fantantsika fa azontsika izay rehetra nangatahantsika taminy.

16Raha misy olona iray mahita ny rahalahiny manao fahotana izay tsy miteraka fahafatesena, tsy maintsy mivavaka izy, ary Andriamanitra dia hanome fiainana ho azy. Izaho dia mampitaha ireo izay manana fahotana tsy miteraka fahafatesana. Misy fahotana izay miteraka fahafatesana; tsy miteny aho hoe tokony hivavaka amin’izany izy. 17Ny tsy fahamarinana rehetra dia fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fahafatesana.

18Fantantsika fa na iza na iza naterak’Andriamanitra dia tsy manota. Nefa ilay iray izay naterak’Andriamanitra dia miaro ny tenany, ary ny ratsy dia tsy afaka ny ahakasika azy. 19Fantantsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao dia mitoetra ao amin’ny ratsy.

20Kanefa fantantsika fa ny Zanak’Andriamanitra dia efa tonga ary efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba ahafantarantsika ilay iray izay tena marina. Toy izany ihany koa, isika dia ao amin’ilay iray izay marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina ary fiainana mandrakizay. 21Anaka, arovy amin’ireo sampy ny tenanareo.

Copyright information for PltULB